« Ady bokotra sy galona » Fa mbola tsy miravona ihany hatreto ny raharahan’ Ikotofetsy vao nosalorana galona Jeneraly, sy Imahaka nalana tamin’ny sezam-boninahitrany. Fetsy e! noesorina ilay ambony galona mba hiakaran’ny tena amin’ny bokotra ambonimbony kokoa. Tsy mety hiala ihany koa Imahaka fa be manamboninahitra sy namana mpanohana. Dia hifampitsapa hery indray izany izy mirahalahy ireto, ny hitan’ny mpanara-baovao aza dia efa misy mivonona amina tafondro mihitsy !