Fitiavana ! 
 
  Dia misy  ny  fitiavana toa mirentirenty
   manaitra toy ny varatra , mandalo vetivety
   satria tsy misy  akony  mba matotra any aoriana
    ka ireo  izay tratrany , nanjahatra ary sina !.
 
  Dia misy  ny  fitiavana toa sarotra antenaina 
   Na misy  aza finiavana dia mampiferin'aina 
   ireo mpiventy azy,  toa malahelohelo 
   miezaka milozoka ity tsiambaratelo .  
 
  Dia misy  ny  fitiavana ho fangalana tombony
   ventesina ny tiako , ny ho doria tononina 
   kanefa nony  tapitra sy  fongana ny  harena, 
   dia lefy  ilay fitia, nirodana nianjera !.
 
  Dia misy  ny  fitiavana ho an'ny  manirery 
   ilay  tia anie tsy takatra, ilay tiana anefa very
    tsy mety mifanojo  satria dia izay  no  anjarany  
   ka dia mifampitady , eny  hatramin'ny  farany !.
 
  Fa ilay  fitiavana, itiavako  anao  
   fitia feno fitia, manitra vaovao !.
 
  NY Eja 
  (15 septembre  2005)